Antsipirian'ny Rijan-teny
2026 - 004
LOI n° 2026 - 004 PORTANT LOI DE FINANCES RECTIFICATIVE POUR 2026
Loi de finances rectificative (LFR)
Loi adoptée définitivement
Tantaran'ny rijan-teny
13 juillet 2026
Brouillon
Dépôt initial du texte
13 juillet 2026
Fametraha-taratasy
Fametrahana voalohany ny rijan-teny teo anivon'ny Antenimierampirenena
Famintinana
Ny Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana ho an’ny taom-piasana 2026 ity dia miorina amin’ny trangan-javatra manan-daja toy ny rivodaza sy ny fifandirana eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ny krizy any Moyen-Orient, izay nampiakatra ny vidin’ny solika ka niteraka fasahiranana ho an’ny Firenena. Etsy akilany ny fadalovan’ny rivo-doza « Fytia sy Gezani » dia nitondra tondra-drano namotika zavatra maro teo amin’ny lafin’ny fambolena. Noho ireo antony ireo no nitondrana fanovana tao anatin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-pajakana taona 2026.
Ireo fanitsiana naroso dia manome lanja indrindra ny fandrindrana anatiny ny teti-bola, izay mifototra amin’ny paikady voafaritra sy ny fampifatohana indray ny loharanom-bola mankany amin’ireo laharam-pahamehana. Ity Lalàna mifehy ny Fitantanam-bolam-panjakana nasiam-panitsiana 2026 ity dia manana endriky ny lalàna mifehy ny toe-bolam-mpajakana anaty « réallocation budgetaire » amin’ny lafiny fandaniana ary miantoka fampifantohana ara-sehatra mifanaraka amin’ny torolalan’ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana ho an’ny Fanavaozana.
Nihena ny fitomboan’ny toe-karena ka raha 4,8 %-n’ny harikarena faobe izany tao amin’ny LFI 2026 dia lasa 3,8 % ao amin’ny LFR 2026. Noezahina nohatsaraina ny sampana aram-pabolena, ny BTP, ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Banky sy ny Fiantohana na dia teo aza ny akon’ny dona roa sosona ateraky ny krizin’ny angovo sy ny fiovan’ny toetr’andro eo amin’ny asa famokarana.
Ny seha-pihariana voalohany : dia natao 4,0 % raha toa ka 6,4 % tao amin’ny tao amin’ny lalàna momba ny fitantanam-bola 2026 mihena ny vokatra andrasana amin’ny fambolena 4,1 % vokatry ny fahasiban’ny velaran-tany volena sy ireo voly maharitra fanondrana noho ny rivodoza Fytia sy Gezani. Na izany aza, noezahina nohamafisina ny famokarana ara-pambolena. Ny sampana « Fiompina sy Jono » kosa dia antenaina ho +4,0 % raha toa ka +4,3 % tao amin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-pajakana taona 2026.
Ny seha-pihariana faharoa : nohavaozina ho 1,9 % raha toa ka 3,3 % tao amin’ny LFI. Ny sampana « Fitrandrahana harena an-kibon’ny tany » dia hitobo +0,6 % monja (raha +4,5 % teo aloha) nohon’ny fahasibana nateraky ny rivodoza Gezani tamin’ireo fotodrafitrasa an’ny Ambatovy sy ny fiakaran’ny vidin’ny fanafarana solitany vokatry ny fifandonana tany Iran, ary koa ny fanitsiana ny famatsiana ataon’ireo mpamokatra titane manoloana ny fihenan’ny tinady manera-tany. Ny sampana « Lamba sy fitafiana » kosa dia hiakatra ho +4,0 % (raha +1,2 % teo aloha) noho ireo fepetra fanitarana ny tsena fanondranana taorian’ny tsy fahazahoana antoka mifandraika amin’ny AGOA.
Ny seha-pihariana fahatelo : Ny sehatry ny asa vaventy dia antenaina hitombo + 9,0 % raha toa ka +7,0 teo aloha. Noho ny asa fanarenana taorian’ny rivodoza sy ny fanamboaran-dalana ary fanamboarana seranam-piaramanidina.Ny hotely sy trano fisakafoanana kosa dia hitombo miadana kokoa +6,1 % noho ny fihenan’ny sidina avy any Dubai vokatry ny krizy any Moyen – Orient. Ny Paositra sy ny fifandraisan-davitra dia antenaina hitombo tsra (12,2 %) nohon’ny fandrosoan’ny nomerika , ny BPO/EPC ary ny fanitarana ny tambazotram-pifandraisana. Ary ny Banky sy fiatohana dia niakatra 10 % izay anisany nitondra ny fiakaran’ny tahan’ny harikarena ao amin’ny sehatra famokarana fahatelo.
Ny vola miditra avy amin’ny hetra anatiny dia voatazona ho 6221,7 miliara Ariary ,ny Foibem-pitantanana ankampobe ny hetra dia hampitombo 1,1 % harikarena faobe (PIB) ireo vola miditra ara-ketra anatin’ny fe-potoana 2026 -2028, amin’ny alalan’ny fanesorana tsikelikely ireo fandaniana ara-ketra izay tsy ahitana fiatraikany amin’ny toe-kare,na sy ara-tsosialy.
Misy fepetra noraisina mba hanatsarana ny fitatanam-bolam-panjakana :
Fepetra araka ny Lalàna
• Fanitarana ny fototra famerenana ara-ketra amin’ny fanohizanz ny fanetsehana ireo vola miditra avy amin’ny hetra ;
• Fiarovana ireo vola miditra amin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana ireo paika arahina araka ny Lalàna ;
• Fanatsarana ny fitantanana ireo mpandoa hetra mba hametrahana fifampitokisana sy fiara-miasa maharitra eo amin’ny Fandraharahana sy ireo mpandraharaha ara-toekarena.
Fepetra ara-panjakana
• Fanamafisana ny fitsirihana ara-ketra
• Famoriana ireo ambin-ketra tsy voaloa na « RAR »
• Fanaraha-maso ny vola miditra avy amion’ny tseanam-barotra na IRM
Tombanana ho 5202 miliara Ariary ny vinavinan’ny vola miditra amin’ny Faditseranana,
Notazomina ho 4852,76 Miliara Ariary ny vola nampetraka ho an’ny fandaniana amin’ny karaman’ny mpiasam-panjakana, izany dia mifanaraka amin’ny vinan’ny LFI 2026. Tsy nisy fiovana ihany koa ireo vinavina fototra noraisina tany amin’ny voalohany.
Nahitsy ny vinavina mikasika ireo tahirim-bola fisotroan-dronono ho an’ny mpiasam-panjakana , mba handraisana an-tanana ireo fiovana tsikaritra nandritra ny fanatanterahana ny tetibola, na eo amin’ny lafiny vola miditra izany na eo amin’ny lafiny fandaniana. Noho izany, ny filàna ho an’ny famenoana ara-bola dia niova ho 459,84 miliara Ariary, tafiditra anatin’izany ny filàna fanampiny mitentina +87,54 miliara Ariary raha oharina amin’ny sorabola voalohany.
Ny vinavina ho an’ny fitambaran’ny vola ho efaina ho an’ny trosa ivelany ao amin’ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2026 dia voatazona ho 1579,1 miliara Ariary . Mitontaly 1 224 ,4 miliara Ariary ny renivola raha toa ka 334,7 miliara Ariary kosa ny zanabola. Ny fampindramam-bola ho an’ny tetikasa dia hitombo hahatratra 4775,5 miliara Ariary ao anatin’ny volavolan-dalàna nasiam-panitsiana.
Ny trosa anatiny dia vinavinaina ho 645,7 miliara Ariary, momba ny zanabola ateraky ny trosa anatiny dia tsy niova raha oharina amin’ny tetibola teo aloha. Ny tahan’ny zanabola ampiharina amin’ireo taratasim-bola navoakan’ny tahirimbolam-panjakana dia tombanana ho 12,39 % amin’ny akampobeny.
Ny vola miditra sy mivoaka mahakasika ny fanomezana sy fanampiana avy any ivelany (FCV) dia tsy miova raha oharina amin’ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana teny am-boalohany. Raha tombanana ho 11,3 miliara Ariary amin’ny taona 2026 ny vola miditra ateraky ny famerenanana ny FCV dia vinavinaina ho 5,5 miliara Ariary kosa ny fandaniana hanam-pamokarana atao avy amin’ny fampiasana ireo tahirim-bola ireo.
Ny famatsiana ara-bola anatiny ny fatiantoky ny tetibolan’ny Fanjakana dia ho tanterahina amin’ny alalan’ny fivarotana taratasim-bola avy amin’ny Tahirim-bolam-panjakana amin’ny banky sy ny sehatra ivelan’ny banky amin’ny ankapobeny. Ny vola andrandraina ho azo amin’izany dia hahatratra 2230,7miliara Ariary, raha toa ka 2095,4 miliara Ariary kosa ny famerenan-trosa ho atao. Noho izany, hitombo 135,3 miliara Ariary ny antontan-trosa mahakasika ny taratasim-bola navoakan’ny Tahirim-bolam-panjakana.
Ny fanampiana ara-teti-bola izay notombanana ho 1127,8 miliara Ariary dia hiakatra ary hahatratra 2276,9 miliara Ariary. Ny mamaritra izany dia ny fanampiana avy amin’ny Banky Iraisam-pirenena, (MERG, TALIM), ny fanampiana avy amin’ny Tahirimbola Iraisampirenena (FEC, FRD, BAD), avy amin’ny BAD (PAGFRE)
Voalanjalanja ho 30 731 751 721 miliara Ariary ny vola kirakiraina ao amin’ny volavolan-dalàna laharana faha -14/2026 momba ny lalàna mifehy ny fatantanam-bolam-pankana nasiam-panitsiana ho amin’ny taona 2026 (PLFR2026) na ny miditra na ny mivoaka