Antsipirian'ny Rijan-teny
2026-005
LALÀNA LAHARANA FAHA – 2026 - 005 momba ny politikan’ny fampiasana teny sy zo momba ny teny eto Madagasikara
Autre
Loi adoptée définitivement
Tantaran'ny rijan-teny
13 juillet 2026
Loi adoptée définitivement
Dépôt initial du texte
13 juillet 2026
Fametraha-taratasy
Fametrahana voalohany ny rijan-teny teo anivon'ny Antenimierampirenena
Famintinana
Ny tanjon’ity Lalàna ity dia ny :
• hanamafy ny anjara toeran’ ny teny malagasy amin'ny maha tenim-pirenena sy tenindreny azy ;
• hampiroborobo ny fampiasana ny teny malagasy amin’ny sehatra eo amin'ny ofisialy sy amin’ny raharaham-panjakana ;
• hiantoka ny fahafahan’ny olom-pirenena mahazo sy mampiasa ny teny malagasy amin’ny raharaha mahakasika azy
• handrindra amin’ny fomba mazava ny politikan’ny teny eto Madagasikara
Ity Lalàna ity koa dia mametraka ny hisian'ny rariny ho an'ny vahoaka, satria mihoatra ny 80% no tsy mahay afa-tsy ny teny malagasy eto Madagasikara, ka matetika iharan'ny tsindry hazo lena amin'ny sehatra maro.
Omena laharana voalohany ny teny malagasy amin'ny sehatra rehetra, indrindra amin'ny famolavolana lalàna sy ny taratasim-pifandraisan'ny Fanjakana.
-Apetraka ho teny enti-mampianatra manomboka amin'ny sekoly ambaratonga fototra ka hatramin'ny fampianarana ambony ny teny malagasy. Takina amin'ny olom-boafidy sy ny olom-boatendry ny fampiasana azy .
-Ahazoana mari-pahaizana ambony amin'ny Anjerimanontolo ny fahaizana ny teny malagasy.
-Manana zo hahazo dikan-teny malagasy ny olom-pirenena amin'ny raharaha ofisialy, alohan'ny hanao sonia fifanarahana asa sy fampiofanana raha teratany vahiny ny mpampiofana.
-Atao amin'ny teny malagasy na asiana dikan-teny malagasy koa ny mombamomba ny vokatra eny an-tsena, ny lanonana na fivoriambe atrehin'ny vahoaka, ary ny takelaka fanondroana toerana na birao.
-Hatsangana ny "Tranoben'ny teny malagasy" : izy io dia rafitra mahaleo tena hanapa-kevitra amin'ny fampanaraham-penitra ny teny malagasy.
-Hapetraka isaky ny Minisitera tsirairay ihany koa ny Sampan-draharaha misahana ny teny sy ny voambolana .
Mandra-pitsangan'io Tranobe io, dia ny Minisiteran'ny Kolontsaina aloha no miantsoroka vonjimaika ny asa.
Voasazin’ny fitsipi-pifehezana apetraky ny rafi-panjakana isan-tsokajiny.ny tsy fanarahana ity lalàna ity